Aza miala (Dah Nex)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
*************Aza miala************
Na misy manenjika sy manakora
Fitsapana mandalo mahadrodroka rora
Tsy hiala amin'ny Tompo aho na mafy na mora.

Na misy manala tsy ho fianankaviana
Na misy maneso ho olon-tsy tiana
Tsy hiala amin'ny Tompo aho na oviana na oviana.

Na be manabanty hoe marary saina
Lazaina fa olona tsy antenaina
Tsy hiala amin'ny Tompo aho raha toa velon'aina.

Na hila tsy ho zaka ny kapoka sy ady
Na fanozongozonana no hita mianjady
Tsy hiala amin'ny Tompo aho fa dia azafady.

Na mbola tsy tonga Jesoa 'zay andrasana
Ny namana rehetra indro fa lasana
Tsy hiala amin'ny Tompo aho....na hofaty any am-pasana.

Dah Nex
04-01-2025------- 04ora:28 minitra hariva / Andramasina
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
15 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dah Nex
Nampiditra : DahNex
Daty : 29/03/2026 10:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117