Tsiaro (Dah Nex)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiaro

Malala รด!!
Any ianao any izay, dia tadidio fa mbola ato ilay foko anankiray.
Ny fitiavako malala, miredareda sy mamay.
Tsy ho lefin'ny fotoan fa mirehitra ao foana. Sanatriaviko mihitsy ny hanao teny hoe HISAONA.

Malala a!
Noho ny elanelan-tany, izaho aty dia ianao any. Lavitry ny maso fa akaikin'ny foko.
Iafiako ny ankaso, ny jaly sy toloko
fa izaho malala mbola eto, eny mbola ato.
Iaretako ny sento, ny foko raha midoboka dia ho anao tsy ahato.

Malala a!!
Ny fiainanao sisa no andrasana,
fa izaho sy ilay fitiavako dia miandry anao eo foana eny hatrany am-pasana.
Tehiriziko ato foana ilay teny sy ilay voady hoe ianao malala ho hampiakaratra ahy ho vady.
Tsy ovako ilay pejy, tsy ovako vaovao fa mbola eto aho... Eny miandry anao.

Dah Nex
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
7 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dah Nex
Nampiditra : DahNex
Daty : 29/03/2026 17:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118