AMPIHIMAMBA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ao ambony dia manana hatrany
Fa mahazo raha toa ka midongy
Ny vahoaka etsy andanin'izany...
tsy homana raha tsy mitrongy!

Izy ireny tsy mba mitotaly
ny kapoakan'ny vary harotsaka
Fa isika vahoaka mijaly?
Mosarena sy tena efa trotraka!

Ny ao ambony ? harena no sezany!
Toa ho nofy raha ny hahatsapa tena !
fa...efa miharihary ny hangezany
Mantsy voky ny harem-pirenena!

Noheverina ho saka ,hay kary...
mpanimba no sady mpisompatra!
Nantenaina hampitsiry vary ,fa...
Hay.. havandra nanimba ny vokatra !

Dia ..izay te hitroatra,fefeny !
Raha izay fitiavantena hainy tsara!
izy ihany no afa- miteny fa...
Azy irery i Madagasikara !


LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
170 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 04/10/2023 16:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143