RAHA TOA IANAO TOA AHY (LAVENONA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TOA IANAO TIA AHY ..Raha toa ianao tia ahy...
Fa sendra mba sodokan'ireo asa soratro ihany
Mihevitra ahy ho enjana ,...mpanoratra malaza
Dia aoka ho fantatrao fa be ny andrarezina any
Mahay mihoatra lavitra noho ny asa vitako aza...
amin'ny resa-tononkalo !
Raha toa ianao tia ahy...
Satria hoe izaho tsy miavona fa tsotra sy sariaka
Somary be be resaka, manala sy ny sisa...!
Dia tsy ho iray mihitsy ny lalam-piainantsika
Raha toa ianao tsy miorina ary koa marisarisa...
amin'ny resa-pivavahana !
Raha toa ianao tia ahy...
Kanefa mbola ho fefika ny lakana any aoriana
Fa ny azoko atao angamba dia mitondra am-bavaka
Raha ny ray sy reninao hatramin'ny fianakaviana
No manambany ny hafa ary koa manavakavaka...
amin'ny resa-bolon-koditra !
Raha toa ianao tia ahy...
Noho izaho nianatra sy tonga tany ampita
Dia tena ampahatsoarana no ilazako androany hoe...
Raha oharina amin'ny hafa...dia tsy mbola hoe tafita
Matoa aho mbola hitanao mandalina eny hatrany
amin'ny resa-pianarana !
Raha toa ianao tia ahy...
Fa manao ahy ho mpanana tsy misy raha mahory
Dia diso tena diso ianao raha ny amin'izay indray
Satria na trano iray aza tsy ananako akory
Fa...olona mahantra sy sahirana izahay...
amin'ny resaka harena !
Raha toa ianao tia ahy....
Kanefa ianao anisan'ireo voalaza ireo
Dia tsy tena tia ianao raha tena izay tokoa
Ka hiangaviko mihitsy hoe mba atsaharo hatreo
Fa tsy haharitra mihitsy ny fitiavantsika roa...
raha ho teren-ko masaka !
Lavenona
24/08/2024
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
