FARA FITIAVAN'I DADA (LAVENONA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FARA FITIAVAN'I DADA Vita soamantsara ny resa-pandidiana...
izay notontosaina tao am-pamelomana aina
dia iny fa nivoaka sy efa afaka vangiana...
ilay zanaka tsy foy no sady tokana lalaina !
Indro velon'aina...ny efa teo am-bava fasana
Tsy foy handao ny tany ka dia...nosoloina " voa "
Ny hafa efa vonona fa i Dada no nandrasana...
hanolotra fisaorana ilay tsara sitrapo...
namonjy ny marary...!
Tsy hita nefa i Dada...! Tsy hita hoe nankaiza !
Tsy nisy nahatsikaritra ny ora nialàny !
Tsy misy mahalala , tsy niteny an'iza na iza fa...
" nandeha nivoaka angamba na nihodikodina any "
hoy olona rehetra...!
Lasa nefa ny ora, nikisaka ny lera
Tsy tonga ihany i Dada !...fa lasa aiza ary ?
Izay vao tapa-kevitra hanontany dokotera
raha mba hitan'izy ireo...ny rain'ity marary...!
Dia hoy ilay mpitsabo hoe...
I Dada no nanolotra ny "voa-ny" ho an'ny zanany...
Ho fara fanavotany... izato sombin'ny ainy !
Tapitr'ohatra loatra ny fitiavany ananany...
ka saika toa fitrebika naningotra ny ainy...
raha toa ka nisy kely...!
Andro maromaro taorian'ny fandidiana
Izay notontosaina tao ampamelomana aina
Vao afaka nivoaka sy mba azo novangiana...
i Dada ilay tsy foy no sady tokana lalaina...
niala "voa " iray...!
Lavenona
20/06/24
--------
Lien:
