ILAZAO I DADA (LAVENONA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAZAO I DADAIlazao ry ise i dada a !
Teneno ampitoniana sy... ataovy moramora
mba tsy ho ren'ny neny hoe aty Antanimora...
ity zanaka naterany !
Rehefa any ise dia...i dada ihany hafarana !
Ka raha manontany i neny dia... mandeha hoe ny fianarana...
ataoko aty Iarivo !
Haiko mihitsy i neny fa tsy maintsy hanadihady
Fa izao ry ise avaly a! Nifarana sahady hoe...
ny tany Vontovorona !
Mahaiza ise mamorona e! Izay tsy hahalalàny !
Mba tsy ise no hampiakatra indray ny tosi-dràny
sy hanetsika ny aretiny !
Fa ilazao i dada mba hiakatra malaky !
Ambarao ny antony hoe nitokona nitaky ny...
vatsim-pianarana nandritry ny enim-bolana !
Ny fanjakana mihitsy hoe no fototry ny olana
fa tsy izahay mpianatra !
I dada mantsy tony no sady koa mahazaka
raha toa mahita ny endriko efa rakotry ny ratra
dia mba matanja-tsaina !
Dia izay sy izay ry ise a ! Mirary soa hatrany !
Soavadia ise dia...mampamangy ny any !
Lavenona
--------
Lien:
