VAVAKA FARANY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA FARANY

Ray o !
Raha toa anio no ora... handaozako ny tany
ka...ho tapitra eto ny aiko sy ny tanjako !
Dia mba hiangavy kely aho rehefa ho faty ihany hoe meteza Ianao hihaino ny vavaka hasandratro !

Hifonako ny ditrako...
sy ratsy rehetra vitako , na dia hoe tara loatra...
Vao hanova ny famindrako ,fiaina sy toetra fa....
mialohan'ny hizoran'ny fanahiko any ankoatra dia...
tiako raha avelanao ny heloko rehetra !

Dia iny reniko iny....!
Mba hatanjaho ny sainy , herezo koa ny fony
Tsy ho sakaizan-tsento ,toloko sy tomany fa...
rahatrizay ny tenako tsy ho hitany eto intsony dia
Ianao no hampitraka sy hampahery azy hatrany !

Any koa ilay tiako...!
Nanaovam-panekena hoe hitia mandrakizay
Ianao ry Ray mahalala hoe... tiako loatra izy iny !
Ka raha hifarana eto ny fifankatiavanay dia...
Ampahatsiahivo azy ilay voadiko fahiny hoe...
Aina ny ahy no fetra !

Ny fiangaviako farany...!
Raha toa izao anjarako sy lahatry ny fiainana
dia mba hiangaro kely ity zanakao ry Raiko
tsy hahatsapa hirifiry, tsy haheno fanaintainana
mialohan'ny hialan'ny fara fofonaiko !

Misaotra indrindra Ray o!
Amen !

Lavenona
25/07/2024
--------
Rohy:
246 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117