FAHALEOVANTENA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy moramora akory ny niainantsika gasy
Fa narahina habibiana tena nampihidy vazana
Niharitra herisetra tamin'ny lefona sy basy
Ireo mahery fo antsika mba ho an'ny tanindrazana

tsy latsadatsa-poana ny ràn'ireo nilatsaka
raha niady sy nitolona mba ho an'ny firenena
Fa nahafoy ny ainy raha nihezaka
nikatsaka
Mba hahazoantsika ny...Fahaleovantena

Tsy azo mora foana raha ny tanindrazantsika
Fa enimpolo taona tao anaty fanjanahana
Ary indrisy zary tambiny vata mangatsikan'ny
mahery fo nitolona nitady fahafahana

Dia... tsotra ny angatahiko...!
ny tantarantsika? aza avela handalo
Fa tehirizo an-tsaina hatrany mba ho tadidy tsara
Mihitsy anie fantaro ,fotsiny io tsy tononkalo
fa diary ho ampitaina ny taranaka any afara


Ka mba tsy ataotao foana ny fetintsika anio
nahafoizana fotoana ,vola sy fandava-tena
Fa Malagasy isika ka izao no tadidio
vory eto isika noho ny... ?FAHALEOVANTENA!

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
164 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 04/10/2023 16:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162