FITIAVANA VOALOHANY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANA VOALOHANY

Mbola vao manomboka ny lalan-katerena
Dia io fa novonoina ilay voady nimatesana
Fa aiza ilay finoana izay nanaovam-panekena hoe...
hanompo Anao foana hatramin'ny fahafatesana..?
No indro fa nania !

Mantsy tsy nitsimoka ilay voa izay marivo !
Ka rariny dia rariny raha resy ianao satria..
mbola tsy nialana ny ota nanandevo
tsy manankery intsony fa voagejan-drojo vy
Dia io ianao fa lavo !

Aiza ianao fahiny mitolona mivavaka raha alina ny andro !
Ary tsy nahalala noana fa satrinao handohalika ao anaty ranomaso
Nataoko ho hisy vokany izy ireny fa kinanjo...
tsy zakanao ny tohitry ny tany be ankaso !
Dia naleonao niverina!

Nirehaka mihitsy ianao niteny tamin'izany
hoe Aina ny ahy no fetra fa hamompo hatramin'ny farany !
Ka nefa raha tafita sy ambony ianao androany
dia nahoana no lotoina sy esoina ny Anarany ?

Raha boky na ny toko sy ny andinin'ny baiboly dia hainao tsisy very !
Ianao ilay nijoro sy nanampahasahiana ka nitory teny an-dalana!
Raha resaka finoana sy tontolom-pivavahana efa vitanao tsianjery !
Fa kosa tsy niainana ny tenin'Andriamanitra
ka indro ianao nihemotra ary koa niverin-dalana!
Ka izay no hitenenako!

Haiko hoe tena sarotra ny hitaona ao ambala ny efa vonton'ny finoana !
Nefa aho tsy misorona sy hanambara hatrany hoe " ianao anie ka Tiany e!"
Mbola tsy taraiky raha toa hanapakevitra hibebaka sy hifona!
Ary koa hiverina amin'ny FITIAVANA VOALOHANY niainanao fahiny !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fivavahana
50 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/03/2024 09:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153