HAFATRA FARANY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA FARANY

"Anaka...!
Mbola kely ianao ka nefa
inoako kosa fa misaina
Ka aminao no miantefa
ny teny ataoko sombon'aina !
Hitanao ny fahanterako
tsy mahavita intsony
ka ianao no hianteherako
mba hampitraka sy hampitony
ireo zandrinao mianadahy !
Raha hikipy ireto masoko
dia aza kivy na manahy fa...
efa vita ny ahy ny lasiko!
Mahereza hatrany zanako !
dia izao no hafatro aminao
karakarao ireo fananako
izay nohariako hatramin'izao
mba ho anareo taranako !
bebenao tsy ho eto foana
fa tsy maintsy hifindra monina
rehefa tonga ilay fotoana!
Mitraka mahaiza mionona
fa izaho kosa handeha hiaona
amin-dray sy reninao
dia veloma man....ndra....pi..hao........na !"

LAVENONA
29 Desambra 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Bebe - Fananarana
33 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 12/04/2024 09:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147