Herezo ny dia (Daniel ROIMEMY RKT)

Nantsain'i Daniel Roimemy RKT
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Oohf..!
Izay aho razandry vao tonga ato an-trano a!!
Drii..! Fa nahoana ity maso no managanohano?
Ny alahelonao io hoy aho aleo mba hifarahana!
Lazao an'i Zoky !
Nisy namono ianao tany ampianarana?
Tsia an!!
Tsy izany raZoky fa lasa ny saiko a !
Mba nafeniko ihany ka nefa tsy haiko,
Ny fiainana eto tsy mora fa indrisy...
Ny ampelatanana nefa tsy misy
Ilay tompontrano....vao haninkeo no nandalo.
Ka ny hany mba hevitro dia nanakalo
ilay firavaka kelin'i Dada sy Neny
Dia nataoko hofantrano...
ny vola rehetra izay tambin'ireny.
Eeeh! Aza kivy raZandry fa fiainana izao a!
Efa miezaka ihany ity zokinao
Manao izay mba vita sy miady mafy
Mba hitovizantsika amin'ny zanaky ny hafa
Zoky a!
Sendra hajanoko aloha ny fianarana
Dia ry i Koto atsy ambadika no mody
hafarana
Hoe tsy afaka mianatra izaho fa marary
Dia mba izaho no hitady ny laoka sy vary !
Mba anjaran'i Zoky ny mandoa ny hofantrano,
Kojakoja rehetra.... ary jiro sy rano !
Izay no hany hevitra noeritreretiko
Mba maivana i Zoky raha zay no mba entiko.
Tsia re raZandry a!!!,
mbola tsy vizana Zoky hiteny !
Ngah adinonao...ireo hafatrafatr'i Dada sy Neny hoe..
Mianara mafy , dia mba ho tafita !
Fa io no hany tohotra hiakarantsika
amin'ny farim-piainana ambonimbony.
Ity Zokinao tsy afa-mianatra intsony
Hatramin'ny nandaozan'ny Ray amanan-dReny
Dia tsy afa-manoatra sy tsy afa-mikomy
Hoe aleo izaho hianatra
Zandry a ! ianao zao hany mba hoe antenanina
ka dia mahazotoa !
Aza mba kivy na miferotr'aina
hatrakao ny loha !
Fa isika raZandry tsisy lova hifaharana
Ka ny hany teniko ataoko aminao hoe...
"HAJAO NY FIANARANA"
DANIEL ROIMEMY R.K.T
--------
Rohy:
Sokajy : Fankaherezana
67 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Daniel ROIMEMY RKT
Nampiditra : hery
Daty : 08/04/2024 21:19
Antsantononkalo
Nantsain'i Daniel Roimemy RKT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144