VOADIKO (Daniel ROIMEMY RKT)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOADIKO

Dina sy voadiko androany
Ary koa hianianako etoana ,
Na inona hitranga eto an-tany ?
Isaorako ny Avo eny foana !
Ekeko sy hiaretako hatrany
Lanjaiko fa sedram-pinoana!

Raha diso famindra ka voa !
Olombelona mantsy tena
Indrindra tanora ihany koa ,ka...
Mba manana fahalemena,
Etoana aho hiova tokoa !
Mivavaka sy hanolo-tena !
Inty aho ry Raiko Tsitoha !

Daniel ROIMEMY RKT
30/09/23
--------
Rohy:
Sokajy : Voady
84 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154