Olombelona ny tena (Daniel ROIMEMY RKT)

Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Olombelona ny tena
Ka tsy maintsy mba misento
Tsy maintsy mba miventso ny diariko ato am-poko
Sy izay hany mba tsaroako
Fa nandalo tamin'ny fiainako
Ka mandefa ny fisainako
Am-pitan-dranomasina any
Hoe indray andro any
Mbola ho hitako ny havako
Mbola ho hitako ny namako
Eh, any ilay tananako
Mitahiry fahatsiarovana
Ka mba tiako holalovana
Sy tiako hotsidihina
Mba satriko ny hamihina
Ilay reniko tsy foiko
Noho ny fitiavako azy
Dia tsy mba hohadinoiko
Ireo anatra fanaony.
Izao mantsy no nataony
Raha izahay hisaraka iny
Hoe "Anaka, aoka ianao ho hendry hatrany
Any an-tanin'olona any.
Ary ataovy an-tsaina foana
Fa mbola ho avy ny fotoana
Izay hihaonantsika mianaka
Eh, tsy manadino anao ity zanaka
Tinaizanao ry neny a,
Ny zanakao tsy toa ireny manompo vola ireny.
Ka raha sendra mba tafita
Sy tonga aty am-pita
Dia hitsipaka ny lakana
Fa ny ahy tsy voasakana
Dimy arivo kilometatra raha tianao ho fantatra.
Ny fitiavako ny any.
--------
Rohy:
54 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Daniel ROIMEMY RKT
Nampiditra : hery
Daty : 10/04/2024 18:29
Antsantononkalo
Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143