Ny kristiana (Daniel ROIMEMY RKT)

Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha kristiana ianao
dia aleteho an-dohanao fa....
ny fivavahana tsy haitraitra !
Na fitafy tena raitra aza...
no entinao mandeha mivavaka
mantsy ianao mba te hiavaka
amin'ny olona rehetra !
Dia tsy izany no toetra
izay takian'Andriamanitra
raha te handova lanitra !
Raha kristiana ianao
dia aoka koa ho fantatrao
fa tsy ny rakitrao no inona !
Fa na vola be ohatrinona aza...
no ataonao ho fanatitra
manginy fotsiny ny tatitra
hoe nandoa ny ampahafolony
dia tsy lanitra no solon'
ireny volanao ireny
fa lazaiko ombieny ombieny !
Kristiana ianao ?
Mivonona dieny izao
hitondra ny hazofijaliana
sy hiari-pahoriana
amin'ny zavatra hiaretana !
Fa tsy maivana ny entana...
holanjainao eto an-tany !
Dia santionany amin'izany
ny fanenjehana mihatra
miampy eso sy ny latsa !
Fa ny tena Kristiana ?
dia mandroso tsy mijanona
amin'ny asa fanompoana
na sarotra manao ahoana...aza
ny lalana andehanana !
Tsy miraviravy tanana
fa mila olona mijoro
sy finoana tsy mikoro
amin'ny ady izay lalovana
fa ny eto an-tany fandalovana !
Daniel ROIMEMY RKT
--------
Rohy:
61 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Daniel ROIMEMY RKT
Nampiditra : hery
Daty : 09/04/2024 21:50
Antsantononkalo
Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149