Ho an'ny reniko (Daniel ROIMEMY RKT)

Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra anao ry neny a
Nampianatra ahy namindra sy nampianatra ahy niteny
ary koa indrindra indrindra
Tsy sasatra namefy sy nananatra ombieny
Neny ô, tsy ho lefy ireny vitanao ireny.

Reo dian-drotsakazonao izay nikapohina ahy fahiny
Tsy voafafa hatramin'izao fa miova endrika ankehitriny
Zary lasa toa ny vatsy fitaovam-piadiana
Handreseko ireo ratsy, rehefa sendra fahoriana.

Ny vavanao izay nila ho tataka noho ny fibedesana ahy
Ankehitriny aho dia mangataka
Neny ô, mamelà ahy izay vita izay
Fa toa tsaroako hatramin'izao
Ianao miteny ahy mifokofoko
Tsy very akory ireny izao
Fa horaiketiko ato am-poko.
Ny zanakao tsy manadino.
--------
Rohy:
Sokajy : Reny
70 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Daniel ROIMEMY RKT
Nampiditra : hery
Daty : 08/04/2024 22:10
Antsantononkalo
Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151