ILAY FITIAVANTSIKA (LAVENONA)

Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FITIAVANTSIKA

Mpinamana isika ,efa hatramin'ny mbola kely
Niaraka nianatra ary koa niray tanĂ na !
Tsy nifankafoy na nifanary velively fa...
niara-nilalao sy nilomano aza mazana !

Noho ny tendri-piainana izay tsy afaka nialana !
Dia tapaka tsy fidiny ny fifandraisantsika !
Ny tenako namonjy ny sekolim-panjakana
Fa ianao indray nijanona sekoly Katolika !

Dia lasa teny ny andro, niodina ny taona !
tsy hitahita akory dia lehilahy lehibe ny tena !
Isika te hiresaka fa tsy haiko hoe nahoana...
mifanopy maso fotsiny raha sendra mifanena !

Dia sanatria adino ve ilay namana fahazaza e ?
Sa odian-tsy fantatra ireo niainana fahiny ?
Hevi-diso izany fa ny tena marina aza...
niova ho fitiavana ilay izy ankehitriny !

Taty aoriana kely ,fotoana mba tsaroako !
sendra mba niraisana ny fiara nandehanana !
tsy nisalasala aho fa nandrisika ahy ny foko
nanomboka niresaka na aza aho tsy havanana...
miresaka vehivavy...!

Tsy haiko hoe inona avy....
no hanombohako ny tafa!
Ianao koa tsy niavona na koa nihafahafa...
fa tsotra sy sariaka!
Toa zary feno antsika ny tao anaty fiara
Ianao niala Ambanidia...,moa izaho Ankorondrano
Mbola tsaroko tsara...!

Fotoana tena niavaka iny andro tokana iny !
Ora tena mamy tsy nanam-paharoa !
Satry mba haverina ka nefa ankehitriny...
sarahan-dranomasina ny toerantsika roa !
Ka tsy afaka manoatra. ..!

Vita ny fianarana ambaratonga ambony
dia indro fa nitranga ny tendry tsy azo ferana !
nianatra any ivelany aho, tsy teto Dago intsony
Fa kosa ianao nijanona nanohy teto an-toerana !

Zary toa tsy misy nefa ny elanelan-tany !
Tao ny alahelo fa...odian-tsy hita koa !
Nifampahery foana sady nifandray hatrany !
Dia tanteraka ilay teny hoe "ny ela maha iray roa!"
Dia ireo fa niara-dia...!

Afo tsy hay vonoina ny antsika ankehitriny !
Miredareda loatra , intsony tsy hangatsiaka !
Nataoko tononkalo ki ny fiainana fahiny a!
Nomeko lohateny hoe" Ilay fitiavantsika"!

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Skoto - Fitiavana
67 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 23/03/2024 10:51
Antsantononkalo
Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145