JESÔ SAKAIZANAY (LAVENONA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JESÔ SAKAIZANAY Tao anatin'ny alina fiharetan-tory iray
Niarahana nikalo izao karazan-kira izao
fa rehefa injay nohiraina ny " Jesô sakaizanay..." dia...
toy ny voatsindrona ny tao am-poko tao...
no sady lasa saina !
Raha hiram-pivavahana ?...ny tena tsy vahiny !
Mahay tsy misy very ny tononkira tsara !
ka nefa kosa tsapako fa iny alina iny...
no tena nahafantarako tian'ny hira ambara...
sy ny hevitra fonosiny !
Teo vao tonga saina fa na iza fantatrao
na misy ra iraisana na namana notiavina !
Ireo rehetra ireo dia...tsy maintsy mbola handao...
rehefa tonga ny andro izay tsy azontsika lavina...
hialana eto an-tany !
Nisento tokana aho dia...namerina ny saiko...
nankafy ny tonon'ity hira nohiraiko...
hoe :"Raha ny olona....mety handao anay..
Jesô no tsy mandao, Jesô anay...! "
LAVENONA
14/03/24
--------
Rohy:
Mpakafy:
Fre