KAMBOTY RAY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada o !
Indro manoloana ny fasanao mangina
manati-boninkazo ,ity zanakao kamboty
Latsa-dranomaso sady vonton-pahoriana !
tsy afaka ny hamihina, tsy afaka hiangoty!

Mandinika ity sary eto andoha-pasanao
ilay endrikao mitsiky, tsy manam-pafaroa
dia indro fa tsaroana sy tonga an-tsaiko ao
ny fiainam-pahasambarako anilanao taloha

ianao ilay mpananatra ,tsy sasatra niteny
naniry ahy ho tafita sy tena ho olom-banona
tsy raraka an-tany akory ireny rehetra ireny
fa na aza aho kamboty dia hiady tsy hijanona

Dada o!
andronao androany tokony hifalina !
Ka nefa andro maloka sy zary fahoriako!
Fa ny azoko lazaina mba ho solom-pirariana ,dia...
mandria ampiadanana ry dada tena tiko !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
245 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 04/10/2023 15:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146