MBOLA HISY VALINY! (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA HISY VALINY!

Etsy anie sakaiza e !
Mba mihevera tena
fa hitondra anao ho aiza moa
ny vola aman-karena?
sa vola aloha vao aina?
harena vao fanahy?
Nefa aleteho an-tsaina
fa ny ratsy ataon'ialahy
........mbola hojinjaina
Mbola ho tsaraina
raha ny tana-nihosin-dra
sy kiribiby ataon'ialahy!
Mihitsy ialahy hanenina
Mihitsy ialahy hikaika
Fa nantenain-kanarina
No indro toa vao maika
Namadika ny marina!
Mantsy ialahy tafarina

Fa ny tsy manan-tsiny ?
aza mba kasihina!
Mihitsy aza kitihina!
Mahaiza ialahy mipetraka
Aza mihetraketraka!

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Habibiana
46 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 23/03/2024 10:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155