NY ANY AMBANIVOHITRAY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANY AMBANIVOHITRAY

Ny any ambanivohitray dia...
somary saro-dalana
mihitsy aza toa mahalana
irony fiara fitanterana
vao misy mba miserana!
Ary ny mampalahelo dia...
afaka andro roa na telo
izay ireny vao tonga any!

Na izany na tsy izany...
tena tsara ny tanana
Ary tena mahatamana
sy milamina aoka izany
Ka toa satriko hatrany
hianoka ny hatsarany
Hikalokalo tsy misy farany
raha mahita ironyv vero
sy mibanjina ny hakantony
sy ny filantolantony
arahin-drivotra malefaka!
Zary tsapako manafaka
ny vesatry ny foko
efa trotraky ny ankaso !

Endre! Manintona ny maso
raha atao indray mitopy
iretsy vary izay manopy
mavokely mavamavana
sy ireo lohasaha mitomandavana
izay tena mahavariana!
Misy rano mikoriana
any antsefatsefany any!
Ary ihany tsy izany fa...
tazana eny koa ny ala
rako-borona sy haza
sy ny maro tsy voalaza!
Na any mangina aza ny any
Izao no zavatra tsikaritra
Tsara sady mahafinaritra
ny any ambanivohitray

LAVENONA
08 janoary 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Ambanivohitra - Embona
50 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 12/04/2024 09:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142