NY FANDROSOANA (LAVENONA)

Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny atao hoe FANDROSOANA
tsy ilàna velirano
handaingana sy hiamboana
nefa harira sy angano
Fa io dia asa hita maso
Hivoarana amin'ny lasa
ary tsisy andraso andraso
Fa avy hatrany dia miasa

Ny atao oe FANDROSOANA
Tsy mba fampandrina hadrisa
mbola hiandrasana fotoana,
fanampiana sy ny sisa
Fa kosa famahana
ny fiainan'ny vahoaka
Anaty kizom-pahantrana
ka hiova sy hivoatra

Ny fandrosoana tsy kabary
Entina hamisavisa
sy hisaina an-tsarisarin'
izany atao hoe paradisa
eto an-tanim-pahatrana
Fa fanatanterahana
sy fanatontosàna
foto-drafitr'asa iarahana

Fandrosoana mba hiadanan'
ny vahoaka izay mijaly
Fa raha trosa no hananganana
Sekoly sy hopitaly
Dia ambarako etoana
sy amim-panetrehatena
Fa tsy izay no FANDROSOANA
Izay ilain'ny firenena

Eny !indrisy mahonena!
fa na mbola hisy aza
ny faha zato taonan'ny fahaleovantena
Dia.....lazaiko anao mazava
Fa raha toa ka mbola misy
fanondranana harena
antsokosoko ,dia indrisy !
mbola mampanongo tena

ny atao hoe FANDROSOANA
Sanatria filaza masaka
zary entina hanehoana
fa efa mba misasaka
ny asa izay natao
Ka dia dradraina hatrany
hiantsoana izao sy izao
mba ho ren'ny vazan-tany

Fa asa atao mangina
Nefa kosa misy vokany
Ka ny vahoaka no irina
Mba hianoka sy higoka ny
harena iombonana

Izay no FANDROSOANA !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
202 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 04/10/2023 16:14
Antsantononkalo
Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145