NY LOZA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LOZA

Tsy mba maniry ny ho tonga mahantra
Ireo gasy sahirana sy mitaraina
Fa noho ny loza sy voina mihatra
Dia zary mizaka ny tsy eran’ny aina

Mantsy ny loza dia tsy mba nitsetra
Fa dia narodany mbamin’ny trano
Simba hatramin’ny fananana rehetra
Izay sisa tavela aza lasan’ny rano

Ny aina aza moa mila hanaraka mihitsy
Satria na aretina na tondra-drano
Na "Batsirai" dia tsy nisy nitsitsy,ka….
Aiza ny gasy no tsy hahita angano?
Ny fiainana mihitsy no efa mihasarotra
Satria tsy mitsaha-miakatra hatrany
Angamba efa izany no lalam-boasoritra
Fa ny azo atao dia mivavaka ihany!

LAVENONA
07/02/22
--------
Rohy:
47 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 12/04/2024 10:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147