Ny SKOTO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny SKOTO

Ny Skoto tsy mihemotra
amin'ny zavatra sedrainy
Ary tsy mifararemotra....
satria ny ao an-tsainy ,hoe....
"N'inona n'inona mianjady
dia vonona aho ny hiady,
hiroso aho tsy hijanona"
Satria dia olom-banona
tsara taiza sy tomefy
ka sanatria ny hihoa-pefy
toy ny jiolahimboto
Fa ny antsoina hoe Skoto?
dia.....
olona matanja- tsaina
ka tsy mba mitaraina
raha toa mandalo olana
fa mahita vaha olana
amin'ny zavatra miseho
Moa mba hainareo??
Fiainan'izy ireny ny...
manampy sy manohana
ny mpiara-belona aminy
ary manasoa ny taniny....
toa antsika izy ireny
Fa kosa dia miavaka
satria dia tia vavaka...
Izany ny Skoto!!!!!!!

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Skoto
50 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 23/03/2024 10:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144