NY TENINAO ! (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENINAO !

Ny teninao ry Gasy a! Ny teninao ihany...
no tsy azon'iza na iza rombahana sy alaina
na oviana na oviana...raha tany koa ny tany !
Ny teninao harena ka tokony hajaina !

Ny teninao ihany no... porofo manambara
fa malagasy ianao fa tsy ny endrika sy bika
rehefa injay ka lavitra ny Madagasikara
ka sendra tafahaona amin'ny gasy toa antsika !

Dia ny teninao irery no...miavaka amin'ny maro
Tsy azo ampitahaina amin'izao rehetra izao !
Ary aleteho an-tsaina...tsarovy sy fantaro
fa sarobidy loatra raha ny tenin-drazanao !

Ny teninao ry Gasy ? Mbola averiko ihany...
ny fanajanao azy tsy avela ho tomika*
dia efa famantarana sy hahalalana hatrany...
fa tena tianao marina ny tanindrazantsika !

LAVENONA
21 Martsa 2023
--------
Rohy:
51 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 23/03/2024 10:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143