NY TENY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENY

Tsy amin-ditra re razandry a!
Tsy amin-kery na koa sandry
ny fitaovam-piadiako
Tsy mba basy tsara fahana
Na koa antsy ampiarahana
Amin’ny lefona maranitra
Tsotra ihany ny ahy no ilaiko
Ny fitaovana ampiasaiko
Tsy famaky na angady
Fa dia teny iray monja
Manan-danja sy mafonja
Izay no entiko miady
Aoka ho fantatrao raZandry fa
Ny sandry tsy mikaonty
rehefa voa izay ny saina
Na dia bokon’ozatra aza
Raha mahery no tsy maody
Mety hanaraka ny aina


Fa ny tenintsika mantsy
Dia manoatra noho ny antsy
Ka mety hitera-doza be
Sy manindrona ao anaty
Ary mety mahafaty
raha toa tsy voafehy
Etsy andaniny anefa
Fanafody tsara indrindra io
Ho an’ireo izay kivy fo
Tsy ilana dokotera
Fa ny teny tsara rindra
No mampitraka indray ny loha
Koa tandremo re raZandry a!
Saino tsara izay lazaina!
Fa io no basy entintsika
Mantsy isika no antenaina
Mba hanao ireo tsy vita fa……
Isika olona misaina!

LAVENONA
12/12/21
--------
Rohy:
Sokajy : Teny
44 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 12/04/2024 09:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147