NY TONONKALO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tononkalo dia hare-tsaina
Fa tsy hoe zarazaraina
Na amidy toy ny anana
Fa itony dia fananana
Nomena anay manokana

Ny tokonkalo dia natokana
Hitantarana ny ao anaty
Na ireo zavatra tsy tanty
Rehefa tsy azonay kobonina
ny any am-ponay any

Mbola itony ihany no...
solotenanay
Mitondra an'ireo izay mba...
Hetaheta tsy azo afenina
Sy tianay ho tenenina

Ny fiainanay mihitsy
No avadikay ho soratra
Ka mahatonga anay manoratra
Hiangaly tsisy fetra
Ny ainganay rehetra

Ny tononkalo solom-bava
Nefa koa dia saron-tava
Ampiasain'ireo Poeta
io no solon'ny poleta
hitifirany ny hafa

LAVENONA
--------
Rohy:
233 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 04/10/2023 15:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146