RAILOVY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAILOVY

Railovy tsara feo
tsara bika tsara loko
no indro teo anilako eo
ka nampifaly izany foko

Ny siotsiokany amin'izany an !
Aoka fotsiny rahavako
toa mamafa ny tomany
ka mapitsiky indray ny tanako!

Ny feony no ody fery
hanatrarako ny tanjoko
Izy ilay mba mampahery
raha manjombona ny androko

Ankehitriny nefa indrisy!
Lasa izy fa tsy hay
ka nadinoiny toa tsy misy
ireo niarahana hatrizay!

Mantsy izaho tsy manan'elatra
tsy mba afaka ny ho any
fa toy ny tanana nialam-peratra
izatro fiainako androany!

sanatria mivazivazy
fa tiako ho ren'izany tenanay
izaho tsy manadino azy
fa mbola miandry ny hiverenany!

LAVENONA
11 Desambra 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
49 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 12/04/2024 09:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157