NY ADINTSIKA GASY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ADINTSIKA GASY

Vonony ny saina hiatrika ady !
Hitolona hatrany tsy mba misy fetra!
Aoka tsy ho lavo na kivy sahady fa...
tsy maintsy mandresy no atao tarigetra!

ny antsika ny ady tsy mbola mifarana
Mihitsy tsy miato fa mbola mitohy
Kanefa tsarovy ny eto fianarana hoe :
"rehefa tsy mailo dia ny aina no hafoy "

Ny fahavalontsika tsy biby na olona
Tsy mba fanjakana na koa firenena
Fa ny fahantrana ary koa ny tontolon'
ny tsolitra misy izay mampahonena

toe-tsaina miova no solon'ny basy
enti-manohitra sy hamikirana
Ny mangarahara tsy mba misy tasin'
ireo kolikoly no... bala hitifirana

Ady io ka nefa tsy hita mivantana
Fa kosa mihatraika amin'ny toe-karena
Fanefitry ny ady ? fahaiza-mitantana
Raha izay dia handroso ity Firenena !

LAVENONA
27/03/23
--------
Rohy:
56 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/03/2024 09:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143