TENA NAMANA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENA NAMANA

Ny tena namana amiko ?
Ilay tsy mba manary...amin'ny andro mahaory
Tsy mamela irery raha sendra fahoriana
Manohana eny foana... ary tsy misaina akory...
ny hanisy ratsy izany, na oviana na oviana !

Ny tena namana amiko miaraka eny foana !
mampahery hatrany rehefa iny ianao tomany !
izy mampitraka raha sendra ianao misaona !
Tsy mandao mihitsy fa manampy hatrany hatrany !

Ny tena namana amiko ?
miandry sy maniry ny fahombiazanao
Ilay falifaly iny raha toa ianao tafita
Na tsika na tomany dia eo foana tsy mandao !
mazana alahelovana raha tsy mifankahita !

Ny tena namana amiko, miavaka amin'ny maro !
Ka nefa ankavitsiana na aza tsy hosinganiko!
tsy misy mahasolo izy ireny fa fantaro !
Izany ka izany no tena namana amiko !

LAVENONA
08/03/2024
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Fiainana
64 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 23/03/2024 10:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149