TONONKALONTSIKA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONONKALONTSIKA

Tononkalo ny antsika no anaovam-boady
Hanoratra hatrany amin'ny fandavatena
Ny penina letsy ny antsika no angady a !
Ny mpamaky kosa no tany hambolena

Teny sy rima no atao masom-boly
Atao tsara fantina mba tsy ho faty
Tsy akory io nianarana tany an-tsekoly
Fa ainga-panahy izay mivoaka ao anaty

Intony no solon'ny vavam-bahoaka
Fitaovam-piadiana mahomby tokoa
Intony ny antsika no bala mandoaka
ny ati-fanahin'ny manana fo!

LAVENONA
--------
Rohy:
57 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/03/2024 10:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138