TSINGERINTAONA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSINGERINTAONA

Io asa soratro io dia...
nosoratako ho anao
ry zandriko tsy foiko !
Fa mitsingerina anio
ny andro nahaterahanao
ka tononkalo no vetsoiko!
Mba ho solom-panomezana
entiko hampaherezana
ho anao razandry vavy !

dia,...arahabaina ranabavy a!
Izay no azoko lazaina
Mantsy mbola antenaina
ny hiaontsika dahy
Ka esory ny ahiahy an!
Ny zokinao tsy afa-manoatra
na dia tena faly loatra aza...
dia tsy afaka mamihina
ka tononkalo no hanilihina
ny hafaliana tsy omby tratra!

Dia...mirary soa ho anao
mba hitombo fahendrena!
Mino sy mba manantena aho fa...
anananao ny fahalalana !
Dia hialao ny hadalana
izao fanaon'ireo tanora
Fana na zaza vao bakora aza
amkehitriny
dia maditra tsy hay tenenina
zavamisy tsy azo hafenina
no lazain'ny zokinao
Irariko mba tsy ianao no...
hanao tahaka ireny
Fa hajao tsara i Neny
raha miteny sy mananatra
Dia mahereza hatrany mianatra !
Izany zandriko an!
Dia veloma mampamangy izany zandriko izany!

LAVENONA
27 Desambra 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingeritaona
39 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 12/04/2024 09:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0442