INY VOLANA INY! (LAVENONA)

Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY VOLANA INY!

Iny vola iny ...
Iny no banjiniko rehefa tonga ny alina
arahin'ny tontolo izay mitony sy mangina
Ary koa hanambarako ny ventsoventso lalina
Rehefa injay tsy tana ny embona anao ry Tiana

Eny...., iny volana iny
Ilay hany fizarako ireo tsy tsiambaratelo..
izay mirakitra ato ampoko sy ny momba ny fitiavako
Mihitsy ,amborahako ny angon'alahelo
Na aza tsy misokatra hiteny izato vavako

Dia iny volana iny no manazava hatrany
Anaty aizim-pahanginana ,mahatsiaro anao rahavako
Noho izany mahalala na ny tsiky na tomany
No misoritra amin'ny tavako

Ka izao malala a, izao no hany hafatra ataoko aminao
fa ataovy antsaina foana ,mihitsy aza adino e!
Raha toa ka mahatsiaro, sy manembona ahy ianao
Dia iny volana iny , iny no banjino!

LAVENONA
16/07/2022
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Volana - Fitiavana
96 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/03/2024 10:41
Antsantononkalo
Nantsain'i Daniel ROIMEMY RKT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0482