raha... (dano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola misy koa
Ny alahelo izay misoko
Hadona ny abo-po
Hampisy ny toloko...

Raha mbola misy ratra
Any ho any izay tavela
Hampitombo fatra
Ireo rakitry ny ela...

Raha mbola misy tsiny
Tsy azoko nialana
Hampifoha ny fahiny
Hampiseho ny tsy tana...

Raha mbola misy sary
Tandidona ny lasa
Hamoaka ny marary
Hampihetsika ny ratra...


Hataoko ny veloma hanadinoko ireny
Izany no antsoina sy asehoko amin'ny teny
dano 01-04-2011
--------
Rohy:
1217 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0841