Te... (dano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hanototra ny lasa fa misalasala
Ho totofana hatsarana sa mbola adalana?
Te hampitsiry ny ho avy fa tsy hay ny hambolena
Hampitsiry fahantrana sa mba hamboly harena?

Te hanome fitia fa tsy hay ny homena
Fitiavana madio sa mbola fitiava-tena?
Te ahita andro miratra fa tsy hay ny ampitso
Ho lasa olo-marina sa mbola olo-diso?

Te ho olo-baovao kanefa tena tsy hay
Ho lasa olo-mendrika sa tsy mety ho izay?
Te ho lasa mihaja fa mbola nofinofy
Ho lasa ngah Ndrina sa mbola ho farofy?

Te hanana abo-po fa mbola misy tahotra
Mba ho sahisahy sa mbola tena miahotra?
Te hijoro ho olo-marina sy ho olo-manga
Ho tojo amin'izany ve ity finiavana efa banga?


Dano
--------
Rohy:
1191 1
Mpakafy: dano
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014