samy hamamina (dano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Veloma vetivety lay Iarivoko iny
Fa lavitra ahy loatra lay olon-tiako any,
Embona azy aho ka mahatsiaro ny fahiny
Sasa miandry foana ka aleko aloha makany.

Mba tsofirano aloha handao ho mandrapiaona
Hotody saomantsara any lavitra any;
Nofinofiko aza hijanona any foana
Fa ianao mitazona ahy ho lavitry ny akany.

Ianao ilay Iarivo,Iarivo izay maditra
Hilaozako tsy aharitra any anilan'ilay tiako;
Ity rendraredranao inoako fa tsy ritra!
Ho atakaloko azy,izay no faniriako.

Ianao sa Izy no akaiky izato foko?
Misitery be sarotra valina...
Tsapako anefa ny amiko tsy miofo,
Fa na Ianao na Izy samy hamamina.

dano 15-06-2012
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona - Fitiavana
1148 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : dano
Nampiditra : dano
Daty : 03/07/2012 18:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143