"misaraka"hoy i ndry (dano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahavara-dranomaso omaly hariva iny
Kotrokotroky ny tsiny,varadatsaky ny latsa;
Izany rehetra izany no rehako nivahiny
Tanatin'ilay foko rotiky ny ratra

Toy ireny rehetra ireny no nandrenesako ny tody
Izay nanononanao ny tenim-padin'ny fitia
Nampagirifiry ny amiko rehefa nandeha nody
Ny niheritreritra azy:"misaraka"hoy i ndry.

Tsy ny alina intsony no henoko tao zina
Tsy ny torimasoko iny no injao fa lalina
Fa ny foko kely no indro fa nangina
Nisaona sy nahatsiaro tsy nety ho tafarina.

Ditsoka sy fanina fa nijinja ankaso
Lavo ny fiainana fa voadakanao
Mihevi-tena faona fa nitrotro afo
Mamahivahy lava tsy haiko ny atao???

dano 22-08-2012
--------
Rohy:
1500 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : dano
Nampiditra : dano
Daty : 19/09/2012 07:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015