You are here: home > Vetso

IO DADA IO - Djah Hco

Azo vakiana?

Teny iray tsy mba diso ary tsy tokony ahagaga,
Hoe: izao, ianao mbola silak'i dada.
Ka rariny raha ho azy ny toa sy ny haja.
Tiavo izy, ankasitrao, omeo lanja.
-----
Fa io dada io mantsy no nizaka ny mafy;
Nitady izay rehetra ahasoa anao;
Ny fiainan-drehetra na tsara na ratsy,
Dia tsy maintsy niainany hatramin'izao SATRIA:
-----
Faniriany ilay fahasambaran-janany;
Ka namoronany izay mbola tsy misy.
Endrey! Nafoiny mihintsy hatramin'ny fananany,
Nafana fo izy ary tsy mba nitsitsy.
-----
Ka tsy rariny ve izy raha ho deraina,
Satria tsy mba namela ho latsaka an-davaka?
Tsy mba niamboho izy na nitaraina,
Ka tiavo sy hajao ary koa ento am-bavaka..

Mombamomba

Mpanoratra : Djah Hco


Nampiditra : Djah Hco
Daty : 27/08/2017
Mpamangy : 782
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

..Ny lasako..
..Tavela..
ILAY ANDRO TALATA
FA MBOLA NOFY
FITIA FILAFILA
LOLO BABO
RESY AHO
NY KANTO GASY