You are here: home > Vetso

RESY AHO - Djah Hco

Azo vakiana?

Ny alina mangina no fankafizako ny androko,
Fa voaalok'ireo besandry ny anjara masoandroko.
Tsy mba misy ny rariny sy hitsiny ho ahy,
Fa mila ho voaposy hatramin'ny Fanahy.
-----
Ny anjarako aza moa eny an-tanan'ny hafa.
Ny ranomasoko noho ny alahelo efa tsy ho voafafa,
Satria mafy loatra ny tsindrio fa lavo.
Tena mafy ny mahazo rehefa olo-mavo.
------
Ny haja amin'izany efa any am-paladia.
Ny latsa sy opa efa mankahia.
Ny maha olona rehetra dia efa voahitsaka,
Satria mameno ny fiainako ny lainga sy fitaka.
-----
Ka mifona aho ry zalahy, avelao fa resy.
Tsy tahakan'ialahy isany matanjaka sy fetsy.
Manaiky aho fa resy, osa ny tena.
Kanefa aza anaovana tsindry azo lena.

Sokajy : Fiononana

Mombamomba

Mpanoratra : Djah Hco


Nampiditra : Djah Hco
Daty : 17/05/2017
Mpamangy : 1137
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

..Ny lasako..
..Tavela..
ILAY ANDRO TALATA
IO DADA IO
FA MBOLA NOFY
FITIA FILAFILA
LOLO BABO
NY KANTO GASY