NY KANTO GASY - Djah Hco
Azo vakiana?
Ny kanto gasy dia mila mivoatra.
Mila misondrotra, mila mandroso.
Ireo izay efa miezaka tsipazana saotra.
Ireo vao hanomboka, ankino amin'ny Tompo.
-----
Fa tsara ny talenta raha toa ka zaraina;
Mba aseho eran-tany, aparitaka sy ahely.
Fa tsy kobonina fotsiny ao an-tsaina,
Na tairizina sy atao fananan-tsamirery.
-----
Ny talenta mantsy nomen-Janahary.
Nomeny mampivelatra ny fahaiza-mamorona.
Ka diniho sy soraty ireo zava-boary.
Diniho sy soraty ny fiaraha-monina
-----
Mazotoa ry tanora, raiso ny penina.
Asehoy ny talenta fa ndrao ianao hanenina.
Mikiriza mafy mba ho fampandrosoana.
Aza kivy amin'ny fiainana fa araho finoana.
..Vita tompoko!!!
Sokajy :
Aingam-panahy
Mombamomba
Mpanoratra : Djah Hco

Nampiditra : Djah Hco
Daty : 16/05/2017
Mpamangy : 876
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
..Ny lasako....Tavela..
ILAY ANDRO TALATA
IO DADA IO
FA MBOLA NOFY
FITIA FILAFILA
LOLO BABO
RESY AHO