LOLO BABO (Djah Hco)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry zazavavy izay miserana ka manaitra ny fijery;
Tena babonao ny foko ary lasanao irery.
Indrisy aza moa fa babo koa ny Fanahy.
Te hamboraka ilay fitiavana kanefa tsy sahy.
-----
Tamin'ny voalohany nahitako anao niserana,
Dia niaiky volana aho fa ianao no fanaperana.
'Zany hanitrao misoko toa voa nafafy.
Nampanaja izany foko, nampidoboka azy mafy.
-----
Firifiry moa ny voninkazo noseranin'ity lolo,
Fa nolalovany fotsiny, nolalaoviny daholo.
Kanefa ianao nolalainy, nolazainy fa tiny.
Nandona ilay fony izay tsy manan-tsiny.
-----
Ka ho tsiniko ve ny handray ity penina?
Anambarako anao ilay fitia tsy azo afenina.
Fitia volamena no indro hatolotra,
Vokatry ny fo fa tsy an-tendromolotra.
-----
Koa saino ankehitriny ilay fitiavako maratra.
Ny fonao manaiky no hitsabo itony ratra.
Aboray am-pahatsorana fa aza asiana sariteny,
Izay valin-teninao na ho TSIA na ho ENY.
Misaotra tompoko!!!
(tononkalo nafohizina)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1175 1
Mpakafy: Djah Hco
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Djah Hco
Nampiditra : Djah Hco
Daty : 17/05/2017 17:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137