Diso ve aho sa ianao no ... ? (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diso ve aho ?
Sa ianao no nandrava zaho sy ianao ?
Ilay hoe mandrakizay ho doria ;
Nefa tsy hita amin'izao, aty sa ary ?

Diso ve aho ?
Sa ianao no namitaka ahy ?
Nanimba, nanapotika ilay revy ;
Ahitsio aho, tantano kely.

Diso ve ianao ?
Sa nitsambki-mikipy aho ?
Nihaino ny resaka mandalo ;
Sao izy ireny dia mba fahavalo ?

Diso ve ianao ?
Sa zaho no tsy mahay milomano ?
Ka ny fanavotan'olona
No hany nataoko vahaolana.
--------
Rohy:
2092 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141