Ny foko tia (Djaw)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry malalako, ry tiako, izay tompon'ny foko,Mamy tahaka irony tantely ny teninao miaraka amiko,
Isan'andro aho mifoha amin'ny ravaky ny tsikinao,
Mamy ery ny fiainako izay velombelomin’ny fitiavanao.
Tsaroako ny ora sy ny andro niarahantsika roa,
Ianao no manome hery, rehefa iny aho mamihina anao,
Tsy mba lainga ny fihetseham-poko eo akaikinao hatr’izay,
Fa tena fitiavana madio, iriko hitoetra mandrakizay.
Eny, misy ady sy fitsapana indraindray, izay manafotra antsika,
Saingy ny tsikinao no balisama manasitrana ny ratrantsika,
Manome fanantenana eo amin’ny lalam-piainako rehetra,
Manome toky amin'ny hoavy mamiratra, tsy asiako fetra.
Ry vadiko malala, zary andrin'ny fiainako eto an-tany,
Inona koa no azoko atao ho fanomezana ho anao iny ?
Afa tsy itony teny feno fanoloran-tena, manamafy ny efa natao,
Ny foko tia anao mandrakizay, tsy miova, tsy miala aminao.
Djaw (18/04/2025)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana