Izy (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voninkazo tsara, izay no azoko lazaina ;
Mandravaka ny tokantranoko, mamelon'aina.
Izy izay manome hanitra tsy manan-tsahala ;
Ilay tokako, tsy misy faharoa, antsoiko hoe malala.

Neny, izay no iantsoan'ny zanako azy ;
Minisitry ny tokantranoko no fiantsoko azy.
Manao izay tratry ny ainy iahiana ny vady aman-janany ;
Izay isaorako ny Tompoko, satria izy dia tena Anjely eto an-tany.

Tsy manan-tsahala, iza tokoa no mitovy aminao ?
Ry tianay, ny tena marina dia tsy misy mahasolo anao ;
Ihantahantanay mianaka rehefa misy manahirana iny ;
Tsy mahalala sasatra fa mijoro hatrany ho an'ny ankohonany.

Mendri-piderana tokoa ianao ilay tokanay ;
Vehivavy mahery, renin'ny zanako, anjaranay.
Ny mivavaka mandrakariva no ataonay mianaka ho anao,
Ka ny Tompo anie hanome hery, tanjaka sy fahasoavana rehetra ho anao !

DJAW (04/06/23)
--------
Rohy:
Sokajy : Reny - Fitiavana
260 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Djaw
Nampiditra : Djaw
Daty : 27/05/2025 10:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121