Ianao (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azafady ! Iza moa ianao ?
Toa ohatry ny miseho henjana
Ka sahy manao izay tsy fanao
Nefa raha dinihina dia ohatry ny vendrana

Miseho azy ho afo mijoalajoala
Mitetiky ny handevona ny ala
Izay hany mampiredareda anao
Aza omena tsiny raha manontany hoe : Adala ve ianao ?

Mihevitry ny tenany ho tena masina
Ka miziriziry manao izay tiany atao
Nefa ohatry ny sira milomano an-dranomasina
Tsy mieritreritra ny vokatry ny atao

Manao azy ho bokona, be hozatra
Mieritreritra ny tenany tsy ho antitra
Mandravarava ka hoe mamono lolo
Ka lasa fahavalon'ity tontolo

Ianao izay mandrora mitsilany !
Ianao izay manao maloto anaty vilany !
Ianao izay mihaino ahy io izany !
Ianao izay tsy iza fa olona ihany !
--------
Rohy:
1580 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144