Tia am-boninahitra (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ianao nilaza tiako ianao ?
Nefa tsisy ninoninona natao !
Menatra ve sa matahotra ?
Inona ny zavatra mamatotra ?

Safidiko, nofinidiko !
Izany no mba tiako.
Ny hanajanao ny faniriako,
No hany zavatra mba iangaviko !

Aleonao ve ny malahelo !
Misy zavatra tsy ampy, tsy feno !
Sarotra ve ny mitia ?
Sa ianao no tsy mahalala hoe tia ?

Fantako, fantako tsara !
Tiako izy, izay no azoko ambara.
Fa aleoko mandefitra, miaritra,
Izany angamba ny hoe tia am-boninahitra !
--------
Rohy:
1240 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014