"AOKA IZAY" (Djio Z'art)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"AOKA IZAY..."

Moa va tsy mba finaritra ny masonao mijery
An'ireto zava-boahary izay kanto na tsy miteny?
fa manana ny hatsarany izay voajanahary.
ohatra anao ihany ireo, raha simbaina dia marary.

Nomena fahefana hikolokolo ianao
Fa tsy nomena halalana hanao azy tahak'izao.
Nefa dia masahy, tsy misy fihambahambana
Tsy manino anao akory izy anefa dia sahinao simbaina.

Sao lahy ka tafahoatra ity ataotsika olombelona
Zava-boahary tsara loko navadikao lavenona.
Mamosavy taranaka, mandrora miantsilany.
Satria misy vokany foana rapitso ny ataonao androany.

Koa aoka izay ry havako aby ny hetraketrakao
koa aoka izay, ataovo fady ny manao ny tsy fanao.
Ndao hajaina ny tontolo fa mbola tsy tara
mba ho finaritra sy ho salama ireo taranaka amam-para

Hoy i Djio Z'art
--------
Rohy:
552 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153