You are here: home > Vetso

ILAY VOLANA BALIAKA - Djio Z'art

Azo vakiana?

"ILAY VOLANA BALIAKA"

Ilay volana tomaratra
izay teny an'habakabaka
Nosimbain'ny oram-baratra
Dia ilay fitiavana nisaraka

mba saika hibaliaka
ilay tara-pahazavany
rava anefa ka tsy hita
fa oram-be no niafarany

ka heritreritra sy nofy
anefa sisa no tavela
ilay volana baribary fotsy
tsara fa tsy naharitr'ela

raoviana indray re
vao mba hoisy tahaka iny
ny fotoana mia mandeha
isika anefa mpivahiny...

na izany anefa r'ilay
manantena indray andro any
mety mbola ahita indray
izany feno manana izany

ka tsy ho tandrifin-drahona intsony...

Nanoratra: Djio Z'art

Sokajy : Fitiavana