Fantatro.. (DON Excellence)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany hoy izy isika no hihaona
Noheveriko fa amin'io tokoa ilay fotoana
Hanambarany zay tena fanampahan-keviny
Efa fantatro ihany, fa ho fisarahana no hosetriny
Na malahelo aza aho tsy maintsy manaiky
Tsy ho ahy izy ka tsy tsara raha mifanaiky

Efa fantatro fa alahelony ahy ihany
No nahatonga azy nanaiky ahy tamin'zany
Fantatro, f'zaho no te handratra tena?
Namerimberina miteny taminy oe manatena
Ny tiako mantsy, izy mahatsiaro sambatra
Faniriana ny ahy, fa an'Atra ny lahatra

Efa fantatro f'efa ela izy no tehilaza ny marina
Fa tsy toa ahy mihitry no tiany ho fantarina
Fa nohon'ny fahatsorany eo @ fiarahamonina
No nahatonga azy nampahery sy nampionina

Fantatro izy tsy ho ahy, ka mba teniko farany
Sambatra aho, na dia alahelo aza no niafarany
Manaiky aho satria alahatra fa tsy mpandahatra
Fantatro fa izy tsy mahay fitia fa mbola mianatra?
Lahatra samihafa mihitry no voasoratra ho anay
Fantatro fa ny foko tsy hitsahatra fa hitempo fahizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Embona - Fitiavana
66 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DON Excellence
Nampiditra : Excellence08
Daty : 31/08/2024 18:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0607