Niserana (DON Excellence)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niserana?...

Ora iray tsy miverina ny lasantsika?
Fitiavana nafana fa navelanao hangatsika?
Efa lasa ireny ka tsy ho sainina akory?
Fitiavana nampijaly no mbola nampiari-tory?

Tsy natao ho antsika ny fahasambarana?
Sombin-dalana ny lasa, ka mila faranana?
Fitiavana tsy naharitra ny anao fa niserana?
Ka dieny mbola tsy lasa lavitra dia noferana?

Hotohizako nefa ny diako, fa sanatria ny hijanona?
Hajao ny eo ampelatanana mba haharitra sy ho vanona?
Aza misaina akory izay vita omaly sy androany
Fa zah efa lasa hitady toerana any ho any?

Ka ampetsako ny veloma sy mandrapihaona?
Fanatenana 'fikiro fa mandroso ny fotoana?
Ny lalantsika no misaraka, ny fo no mifandao
Mandeana ry tiako fa zah mitso-drano anao??
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Embona - Fitiavana
66 1
Mpakafy: Excellence08
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DON Excellence
Nampiditra : Excellence08
Daty : 31/08/2024 18:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0264