Nitia (DON Excellence)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitia ahy izy fa tsy vokatry ny fony akory
Tsy fahadisoko ngamba raha lasa nanosorisory
Fa niezaka tokoa aho nanome ny rehetra
Eny, hatramin'ny hoe hitia tsy misy fetra

Mbola faly aho nefa fa mbola nahafantatra
Fa nitia ahy izy fa tamin'ny fo niangatra
Hatrizay mantsy dia nitia fa noterena
Hay ve izany,, fa zah no nanaiky hofentena

Ka diso ve aho raha miteny kely
Hiteny aho fa tsy hoe hiverina velively
Fa mba hanolotra ity fisaoran'ny foko adala
Ka raha mangina aho ts hoe mankahalala
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Embona - Fitiavana
81 1
Mpakafy: Excellence08
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DON Excellence
Nampiditra : Excellence08
Daty : 31/08/2024 18:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1211